<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>Tiona Alemana</author>
<hymn_number>63</hymn_number>
<title>Tany finaritra FFPM63</title>
<lyrics>[V1]
 Tany finaritra,
 Tarafin-danitra,
 Ity tanin'ny mpivahiny ity
 Ka fihobiana
 No andehanana
 Mankany Paradisa arý.

[V2]
 Andro mihelina
 Ilay sasakalina,
 Nefa tsarovan'ny olona
 Satria ny lanitra
 Tsy lefy hanitra ;
 Mamelon-kira velona.

[V3]
 Anjely marobe
 No indray mihira hoe :
 « O ! mifalia ry reraka !
 Fa fiadanana
 No andehanana ;
 Kristy Mpamonjy teraka ! »</lyrics>
</song>